|
 |
TOEKARENA-FIHARIANA |
|
|
Akoho fakana nofo Sahiran-tsaina ny mpiompy
|
|
<b> Misedra olana ny mpiompy. Mbola latsa-bidy ny akoho fakana nofo raha oharina ny tamin’ny herintaona. Manakaiky anefa ny faran’ny taona, fotoana tokony hahatsara vidy azy sy hitomboan’ny mpanjifa. Antomotra ny fety ! Ny fotoana toy izao no mba fanararaotan’ireo mpiompy akoho fakana nofo hampitomboana ny famokarana. Ny tinady, rahateo, heverina fa tsy maintsy hiakatra mandritra ny fety. Raha ny tamin’ity taona ity anefa, simba tanteraka izay fanantenana kely eo amin’ny mpiompy izay. Toy ny fahazaran’ny mpiompy iray eny Alakamisy Ambohidratrimo, akohokely fakana nofo miisa 950 no ampidirina, roa volana latsaka kely mialoha ny fety toy izao. Tsy nasiany fanovana izany tamin’ity taona ity na dia somary mahakivy ihany aza ny fahasahiranana sedrain’ny isan-tokantrano izay mety ho sakana tsy hampandeha ny tsena. Ny indro kely anefa, «tamin’ny herintaona, volana novambra tahaka izao, efa nanomboka niakatra ny vidin’ny akoho, 4.000 Ar ny kilao raha mbola velona», hoy ity mpiompy ity. Amin’izao fotoana izao anefa, mbola 3.200 Ar ny vidiny, izany hoe, tsy nitombo fa vao mainka aza nitotongana. Ny vidin-tsakafo sy ny saran’ny fikarakarana anefa, etsy ankilan’izay, tsy mba nihena akory. Mahatratra 53.500 Ar, ohatra, ny iray kitapo amin’ny sakafo fanome ny akohokely ary 50.000 Ar ny fanatavezana ho an’ireo efa lehibe. Mbola fandaniana hafa, ankoatra ireo, ny « vitamine » sy ny vaksiny ary ny karaman’ny mpiasa.
Fanomezana faran’ny taona ? Ankoatra ny mpanjifa mahazatra, toy ny trano fisakafoana, ny mpivarotra akoho atono sy ny olon-tsotra, mpanjifa manokana isaky ny faran’ny taona ny orinasa, mizara fanomezana ny mpiasa. Matetika akoho, na vorona, miampy menaka sy/na vary no atolotra ny mpiasa. Iaraha-mahita fa misedra olana koa ny orinasa, ka tsy maintsy mampihena ny fandaniany ihany koa. Amin’ny maha vanim-potoan-dehibe ny krisimasy sy ny faran’ny taona, inoana fa tsy hitazam-potsiny ny mampandeha ny orinasa ny mpampiasa.
Landy R.
|
 |
|
|
|
|
|
|
|
|
| Fanadihadiana |
 |
|
|
|
|
| |
|