|
 |
SONGADINA |
|
|
Voaporofon’ny Kaiyuan Petroleum Tena misy solika eto !
|
|
Hatrany amin’ny 80 metatra ny hateviny ! Ny orinasa Sino Union Petroleum & Chemical no mikaroka solika any Sakaraha, ao amin’ny faritra Bloc 3113. Nampiandraiketany ny fandavahana ny tany ny orinasa sinoa Kaiyuan Petroleum. Tamin’ny 2 oktobra lasa teo, toerana 19 no nahitana menaka manana hatevenana 54 metatra any amin’ny 3.286 metatra hatrany amin’ny 3.470 metatra ambanin’ny tany, ao amin’ny faritra Skl-2. Nahitana solika kosa tao amin’ny faritra Bloc 3113, miampy tobina menaka 10 manana hatevenana 26 metatra any amin’ny 3.471 ka hatramin’ny 3.604 metatra ambanin’ny tany. Tamin’ny 5 oktobra indray, tobina menaka 29 no hita izay mitontaly 80 metatra ny hateviny. Nilaza ny orinasa Kaiyuan Petroleum, fa ao anatin’ny sokajy azo diovina ho solika maivana fampiasa no hita tao amin’ny Skl-2. Araka ny fanadihadiana ara-teknika, mbola misy tahirin-tsolika any amin’ny 4.000 ka hatramin’ny 4.300 metatra ao amin’ity Skl-2 ity ary mety hisy menaka mavesatra sy gazy ihany koa.
Antony ara-toekarena Etsy ankilany, nitatitra ny gazety boky la Lettre de l’Océan Indien, tamin’ny 18 novambra teo, fa nambaran’ny Sunpec ao anatin’ny tsenam-bola (bourse) any Hong Kong ity nahitany solika ity, saingy tsy nampandrenesina ny Ofisy malagasy misahana ny harena an-kibon’ny tany sy ny indostria stratejika (Omnis), izay tokony natao araka ny fifanarahana. Tokony hanana 20% amin’ny renivola mantsy ny fanjakana malagasy amin’ny alalan’ny Omnis. Raha ireo no atao indray mijery, tsy tonga tonga ho azy ny olana sedrain’ny firenena ankehitriny. Azo inoana fa misy ny lafiny ara-toekarena, ary misy antony matoa ny firenen-dehibe no voatonontonona ho ao ambadiky ny tranga (manakorontana sy/na mandamina) eto Madagasikara. Fahita eran-tany rahateo izany !
R.Randria
|
 |
|
|
|
|
|
|
|
|
| Fanadihadiana |
 |
|
|
|
|
| |
|