|
 |
TRANGA |
|
|
Behoririka Rangahibe maty an-dalana
|
|
Maty an-dalana teo Antanimena, akaikin’ny Magro ity rangahy lehibe, efa 60 taona mahery any ho any omaly tolakandro, tokony ho tamin’ny 4 ora sy sasany. Efa ny maraina no nahitana azy reraka be nihaodihaody teny an-toerana, araka ny fanazavan’ireo olona teny amin’ny manodidina. Tsy nahitana teny firy ilay rangahy fa ny harerahana no tsikaritry ny olona teny aminy. Nitambotsotra tampoka izy io omaly io. Reraky ny hanoanana ilay rangahy, raha ny filazan’ireo olona nahita ny razana ihany. Ny sasany tamin’ireo fianakaviany tonga teny an-toerana kosa anefa nilaza fa manana olana amin’ny tosidra izy ka izay no mety nitarika ny fahafatesany tampoka. Ny fiaran’ny Bmh no naka ny razana teny an-toerana omaly. Tsy vitsy ny olona sahirana noho ny tsy fahampiam-bola sy ny sakafo ankehitriny. Mba rahoviana vao tena hojeren’ny tompon’andraikitra ireny olona marefo sy beantitra ireny? Efa betsaka ihany izay fampanantenana natao izay.
Henintsoa R.
|
 |
|
|
|
|
|
|
|
|
| Fanadihadiana |
 |
|
|
|
|
| |
|