|
 |
TRANGA |
|
|
Herisetra Miaramila nahabevohoka ny zanany vavy
|
|
<b> Tsy mifaditra ovana, vitan’ity miaramila iray am-perinasa ny nanolana ny zanany vavy vao 14 taona monja, nandritra ny roa taona. Bevohoka ilay zazavavy ankehitriny. Nitory eny amin’ny fitsarana ny fianakaviany… Bevohoka dimy volana ankehitriny ny zazavavikely iray vao 14 taona monja. Miaramila iray miasa eny Analakely, manodidina ny 30 taona, izay ny rainy ihany no notondroin’ilay zazavavy ho nanolana azy. Tamin’ity herinandro ity vao nahafantatra ny zava-nanjo ilay tovovavikely ny fianakaviany ka nametraka fitoriana eny anivon’ny fampanoavana omaly, mba hahafahana manenjika ilay rangahy. Efa maty ny reniny, ka ny rainy foana no niara-nipetraka taminy. Tsy vao izao anefa, fa efa hatramin’ny taona 2007 no nanomboka nanolana azy ny rainy. Izany hoe, efa ho roa taona mahery izany. Any amin’ny toby fiasany matetika ity raim-pianakaviana, raha ny fanazavana fa rehefa mody ao an-trano no manao ny filan-dratsinys. Tsy navelany hitantara aman’olona izy fa norahonany ho faty. Nilaza tamin’ireo teny amin’ny manodidina ihany anefa iry farany rehefa tsy tantiny intsony. Niparitaka ny feo taorian’izay saingy toy ny honohono ihany. Na izany aza, nisaraka tamin’ny sakaizany iray vokatr’izany mihitsy ilay rangahy raha vao naheno io resaka io. Nifindra trano hatrany ihany koa izy ireo, rehefa nahafantatra ilay rangahy fa mahalala ny fomba ratsiny ny eo an-tanàna. Nalain’ny fianakavian-dreniny hipetraka any aminy eny Tsiadana ilay zaza taorian’izay, kanjo izao hita fa bevohoka izao.
Henintsoa R.
|
 |
|
|
|
|
|
|
|
|
| Fanadihadiana |
 |
|
|
|
|
| |
|