www.taratramada.com                                                                                                     Gazety Malagasy mivoaka isan'andro
Lohanteny Pôlitika Fihariana - Toekarena Fiarahamonina Fiainam-pirenena
Toetrandro Kolontsaina Fanatanjahantena Faritra Hatsikana
 Karoka
 
  Vaovao Misongadina
Pôlitika
Fihariana sy Toekarena
Fiarahamonina
Fiainam-pirenena
  Vaovao Samihafa
Toetrandro
Kolontsaina
Fanatanjahantena
Faritra
Hatsikana
  Contact
Contact
  Liens
Liens
 
 
  Sandam-bola
ny 12/3/2010
EURO(cmax)- Ar
EURO(cmin)- Ar
EURO(cmp)2.917.31 Ar
USD2.150.47 Ar
GBP3.210.97 Ar
CHF2.002.77 Ar
JPY23.79 Ar
ZAR290.26 Ar
HKD277.15 Ar
  Toetrandro
Mety ho toetrandro ny 12/3/2010

Source:
Les-nouvelles.com

FLUX DU MOUSSON SUR LE DEUX TIERS NORD, FLUX DU SUD SUR LE RESTE

Voir le détail
FANATANJAHANTENA
Volley-ball
 
Saika tsy afaka ny Ift

        Teo amin’ny «tie-break» vao afaka nanoloana ny Stef’Auto (Atsinanana) ny Ift (Analamanga) omaly, tetsy amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano, nandritra ny andro fahatelon’ny fifanintsanana amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja volley sokajy vehivavy. Saika tsy tafavoaka mihitsy ny Ift na dia efa nitarika tamin’ny seta 2 noho 0 (25/ 23, 25/20) aza. Teo amin’ny seta fahatelo farany no nanao fahadisoana betsaka ry Mendrika, Rose De Lima ary Rina sy ny namany ka nohararaotin-dry Elia sy ry Vévé ao amin’ny Stef’Auto izany. Tamin’ny isa 25 noho 20 no nahazoan’ity ekipan’Atsinanana ity io seta io. Mbola tamin’io isa io ihany no nahazoan-dry zareo ny seta fahefatra mitondra mankany amin’ny «tie-break», izay nahatafavoahan’ny Ift ho mpandresy tamin’ny isa 18 noho 16. Hatreto, tao anatin’ireo lalao telo natrehan’ny Ift, fandresena avokoa no azony raha fandresena iray sy faharesena iray ny an’ny Stef’Auto tamin’ireo lalao roa nataony.
 

 

Miary Narindra

 
 





Tahiry
 
Fanadihadiana
 
Tahiry
 
© Copyright 2004 et droits réservés à http://www.taratramada.com