www.taratramada.com                                                                                                     Gazety Malagasy mivoaka isan'andro
Lohanteny Pôlitika Fihariana - Toekarena Fiarahamonina Fiainam-pirenena
Toetrandro Kolontsaina Fanatanjahantena Faritra Hatsikana
 Karoka
 
  Vaovao Misongadina
Pôlitika
Fihariana sy Toekarena
Fiarahamonina
Fiainam-pirenena
  Vaovao Samihafa
Toetrandro
Kolontsaina
Fanatanjahantena
Faritra
Hatsikana
  Contact
Contact
  Liens
Liens
 
 
  Sandam-bola
ny 19/3/2010
EURO(cmax)- Ar
EURO(cmin)- Ar
EURO(cmp)2.904.36 Ar
USD2.124.66 Ar
GBP3.242.87 Ar
CHF2.006.57 Ar
JPY23.54 Ar
ZAR290.64 Ar
HKD273.77 Ar
  Toetrandro
Mety ho toetrandro ny 19/3/2010

Source:
Les-nouvelles.com

FLUX VARIABLE FAIBLE SUR MADAGASCAR

Voir le détail
FANATANJAHANTENA
Barea vehivavy
 
Hilalao amin’ny alina atsy La Réunion

        <b> Vonona ny Barea vehivavy, hiatrika ny lalao miverina hikatrohana amin’i La Réunion, eo amin’ny fifanintsanana amin’ny «Mondial 2010», hatao any Alemaina. Amin’ny alina no hanaovana ny lalao ao amin’ny kianja St André, La Réunion.
 
Amin’ny asabotsy 7 novambra izao no hifamerina hikatroka ny Barea de Madagascar sy ny ekipam-pirenen’i La Réunion, eo amin’ny fifanintsanana amin’ny Mondial 2010, sokajy vehivavy. Ao amin’ny kianjan’i St André no hanatanterahana ny lalaon’ny roa tonta. Hiavaka satria tsy amin’ny antoandro fa amin’ny alina no hatao izany. Manoloana izany, mitaraina ny Barea fa tsy misy afa-tsy amin’ny alakamisy no mahazo ny kianjan’i Mahamasina mba hahafahana miomana amin’izany. Mety hisy fiantraikany ihany izany satria samy hafa mihitsy ny fomba filalao amin’ny alina sy antoandro. Mila fahazarana eo amin’ny maso sy ny hazavana. Ankoatra izay, hanainga ny zoma izao izy ireo ary any amin’ny 80 km, miala ny kianja hilalaovana no mipetraka. Na eo aza izany rehetra izany, vonona ireo mpilalao 18 mirahavavy. Efa nasian’ny mpanazatra fanitsiana ihany koa ny lesoka tsy nety nandritry ny lalao mandroso. Marihina fa mila mandresy 2 noho 0 ny Barea vao tafita satria efa resy 3 noho 1 tetsy Mahamasina.
 

 

Tompondaka


 

 

 
Ny lisitr’ireo mpilalao :
 
Malala, Haingo, Bodo, Olivia, Mbolatiana, Elisa, Angèle, Sophie, Eulalie, Collette, Jessica, Fabiola, Lydia, Ouarda, Fetra, Nadia, Irène, Domoina.
 
Eliezard (Filohan’ny delegasiona), Johasy Eleonore (delegasiona), Herihaja sy Hanitra (mpanazatra), Albertine (mpitsabo).
 
 





Tahiry
 
Fanadihadiana
 
Tahiry
 
© Copyright 2004 et droits réservés à http://www.taratramada.com