|
 |
FIARAHAMONINA |
|
|
Faharovitan’ny lalan-jaza (fistule) Voaofana ny mpitsabo mpandidy
|
|
Niatrika fiofanana momba ny fandidiana fanamboarana ny faharovitan’ny lalan-jaza (fistule) ireo mpandidy avy amin’ny Faritra Anosy, Androy, Vatovavy Fitovinany sy Atsimo Andrefana, ny 19 ka hatramin’ny 24 oktobra lasa teo. Profesora Rochat Henri Charles, “urologue” manam-pahaizana manokana momba io tranga io avy amin’ny Fondation genevoise pour la formation et la recherche médicales à Genève ny tenany. Vehivavy 22 no voatily fa hiatrika ny fandidiana tsy ho ela, eo anelanelan’ny 15 ka hatramin’ny 22 taona ny ankamaroan’izy ireo. Nanao fampiharana avy hatrany ny mpiofana ka vehivavy 12 (tamin’ireo 22) no nodidiana niarahan’ny mpiofana sy profesora. Horaisin’ny mpandidy niofana avy ao amin’ny Salfa ao Ejeda, Taolagnaro ary Manambaro ny 10 ambiny. Tafiditra ao anatin’ny fanohanan’ny Unfpa an’i Madagasikara momba ny fitsaboana ny “fistule” ny hetsika. Ireo tovovavy miteraka aloha loatra, na mpiteraka mipetraka lavitra ny toeram-pitsaboana na miteraka maro loatra no voan’ny “fistule”. Matetika, ailiky ny fianakaviany ny vehivavy tratran’ity tranga ity ka lasa mitoka-monina.
Vonjy A.
|
 |
|
|
|
|
|
|
|
|
| Fanadihadiana |
 |
|
|
|
|
| |
|