www.taratramada.com                                                                                                     Gazety Malagasy mivoaka isan'andro
Lohanteny Pôlitika Fihariana - Toekarena Fiarahamonina Fiainam-pirenena
Toetrandro Kolontsaina Fanatanjahantena Faritra Hatsikana
 Karoka
 
  Vaovao Misongadina
Pôlitika
Fihariana sy Toekarena
Fiarahamonina
Fiainam-pirenena
  Vaovao Samihafa
Toetrandro
Kolontsaina
Fanatanjahantena
Faritra
Hatsikana
  Contact
Contact
  Liens
Liens
 
 
  Sandam-bola
ny 15/3/2010
EURO(cmax)- Ar
EURO(cmin)- Ar
EURO(cmp)2.925.04 Ar
USD2.137.06 Ar
GBP3.239.57 Ar
CHF2.016.67 Ar
JPY23.64 Ar
ZAR288.79 Ar
HKD275.44 Ar
  Toetrandro
Mety ho toetrandro ny 15/3/2010

Source:
Les-nouvelles.com

FLUX DU MOUSSON SUR LE TIERS NORD, DOMINANCE D’UN FLUX DU NORD AILLEURS

Voir le détail
FIARAHAMONINA
Fangatahana diplaoma bakalorea
 
250 isan’andro no tonga ao Ankadifotsy

        Nanomboka tamin’ny taona 2002, nohavaozina ho tsy azo atao hosoka intsony (infalsifiable) ny diplaoma omen’ny oniversite manerana an’i Madagasikara ireo mpianatra nahavita fianarana. Diplaoma voalohany no azon’ny mpiadina afaka bakalorea. Hatramin’izay, taratasy fanamarinana no omena ireo mpiadina afa-panadinana ary azony ampiasaina amin’ny zavatra samihafa. “Noho ny fahatsapana fa nahazo vahana ny fampiasana taratasy fanamarinana hosoka, nandray io fepetra io ny fitondram-panjakana”, hoy ny tomponandraikitra iray eny amin’ny oniversite. Ho an’ireo afaka teto Antananarivo maniry ny haka ny diplaoma bakalorea na ny “relevé des notes”, hoentina miaraka amin’ny mpangataka ny taratasy fanamarinana ary manatona eny amin’ny Ofisin’ny bakalorea, Ankadifotsy. Maimaimpoana ary vita vetivety ny “relevé” arakaraka ny isan’ny mpangataka. Miandry 10 ka hatramin’ny 20 andro kosa ny diplaoma satria ny oniversite no mikarakara azy. Mbola mila mandoa vola 17.000 Ar eny amin’ny kaonty manokana ao amin’ny Bni-Cl ireo mpangataka diplaoma ka ampiarahana amin’ny taratasy fanamarinana ny tapakila nandoavam-bola.
 
“Entanina mba tsy hiandry ny fotoana farany vao hangataka ny diplaoma ny tanora mila izany hisorohana ny filaharam-be”, araka ny fanazavan’ny mpiandraikitra ny ofisin’ny bakalorea, Ravelomanantsoa Solofo. Mahatratra 250 isan’andro ireo mpangataka ao anatin’izao fotoana fikarakarana ny fidirana amin’ny fampianarana ambony izao. Ho an’ireo efa nahazo kosa, tsy azo soloina intsony io diplaoma io ka tokony hotehirizina tsara, ny dika mitovy hatrany no ampiasaina.
 
Iarahana amin’ny Frantsay ny tetikasa ary andoavam-bola avokoa ny fahazoana ny diplaoma omena aorian’ny fahavitan’ny mpianatra ny taona faharoa, fahatelo, fahefatra... eny amin’ny oniversite.
 

 

Vonjy A.

 
 





Tahiry
 
Fanadihadiana
 
Tahiry
 
© Copyright 2004 et droits réservés à http://www.taratramada.com