|
 |
KOLONTSAINA |
|
|
« Izao rehetra izao » Mitohy amin’ny fampirantiana
|
|
<i>« Izao rehetra izao », fankalazana ny faha-10 taona nanoratan’i Brentch Mbolamasoandro. Tontosa ny asabotsy teo, tetsy amin’ny Tranompokonolona Isotry ny fanokafana. Notohizany tamin’ny fampirantiana etsy amin’ny Ivokolo Cemdlac Analakely izany nanomboka ny alatsinainy teo. Tazana ao anatin’ity ranty ity ireo boky dimy nosoratany : « Izao rehetra izao », « Hiakam-pahanginana », « Vorona tapaka elatra », « Ruiseñhor », « Fahaiza-mitia sy mifankatia ». Ireo sanganasany voarakitra an-takelaka tsotra. Ankoatra ireo, hita eny an-toerana ireo tabilao maromaro anehoan’i Nary Arthur, José Alain, Franco, Riri ary RaMika ny talentany. Ny 13 novambra izao no hifaranan’ny fampirantiana. Ho an’i Mbolamasoandro manokana, mitaky ezaka eo amin’ny tsirairay (fanjakana, mpanoratra, mpanjifa, mpamoaka boky, sns) ny fampiroboroboana indray ny famakiam-boky eto amintsika. Ny fahatsapana izay no iray amin’ireo antony nitondrany ny « Izao rehetra izao » etsy amin’ny Ivokolo Cemdlac Analakely sy nametrahany fihenam-bidy amin’ireo boky mirakitra ny sanganasany ireo.
HaRy Razafindrakoto
|
 |
|
|
|
|
|
|
|
|
| Fanadihadiana |
 |
|
|
|
|
| |
|