|
 |
TOEKARENA |
|
|
Hosona Lion – Orange Tombontsoa ho an’ny rehetra
|
|
Internet haingam-pandeha ho an’ny rehetra. Izay no fanambin’ny Orange Madagascar amin’ny fampidirana ny hosona tsora-bera Lion. « Raha toa ka mbola nofinofy izany omaly, efa tonga eto ary hiasa ora vitsy ho an’ny sokajin’olona rehetra, ho mariky ny fisokafan’i Madagasikara amin’ny rivotra iainan’ izao tontolo izao io », hoy ny tale jeneralin’ny Orange Madagascar, Jean Luc Bohé, nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety, omaly. Hanomboka rahampitso 5 novambra, any Toamasina, ny fanapariahana ny «internet» haingam-pandeha voalohany (ilay tena 3G). Hanaraka tsy ho ela ireo tanàn-dehibe hafa. Tolotra maromaro, manomboka amin’ny 200 Mo no isafidianan’ny mpanjifa tsy ho ela. Ho an’ny olon-tsotra, hisy ny « routeur D 100» fanao an-trano. Haparitaka ho an’ny mpanjifa ihany koa ny « NetBook », ôrdinatera finday, efa misy « puce » Orange. Ireo orinasa lehibe no tena hahazo tombony, satria afaka misafidy amin’izay hafainganam-pandeha tiany sy ilainy izy ireo. Tsiahivina fa hotsenaina amin’ny fomba ôfisialy any Toamasina ny hosona Lion ny 5 novambra. Hanomboka any ny fetibe, izay hitohy eny amin’ny kianjan’Alarobia ny asabotsy 7 novambra izao, mandritra ny tontolo andro.
Zo ny Aina
|
 |
|
|
|
|
|
|
|
|
| Fanadihadiana |
 |
|
|
|
|
| |
|