|
 |
TOEKARENA |
|
|
Ong Andrew Lees Trust Namoaka boky ny fiainan’ny Antanosy
|
|
Sambany teo amin’ny tantara ! Navoaka ho ao anatin’ny boky iray ny fanadihadiana nataon’ny olona maromaro miompana amin’ny fiainan’ny foko Antanosy any amin’ny Faritra Anosy. Notontosain’ny fikambanana tsy miankina Andrew Lees Trust (Alt) ary nomena ny lohateny hoe «Ny feon’ny fiovana», ahitana ny fijoroana vavolombelon’ny mponina, nangonina tamin’ny desambra 2007 ka hatramin’ny janoary 2008. Boky mampivoitra ny olana diavin’izy ireo amin’izao taonjato izao, noho ny fiovan’ny toetr’andro eo amin’ny lafiny fambolena sy fiompiana, ny fakana ny tanin’ireo nonina nanodidina ny fitrandrahana fasimainty ataon’ny Qmm, satria tsy manana taratasy ara-dalàna. Eo koa ny fandraràna tsy hikasihana ny ala intsony, nefa miantoka ny foto-pivelomana hatramin’izay. Tanjon’ny Alt ny hahalalana ny zava-misy any an-toerana sy hanairana ny sain’ny tompon’andraikitra. Nadika tamin’ny fiteny telo samy hafa ity boky ity (teny Antanosy, frantsay ary anglisy).
Nangonin’i Njaka A.
|
 |
|
|
|
|
|
|
|
|
| Fanadihadiana |
 |
|
|
|
|
| |
|