|
 |
TOEKARENA |
|
|
Fitaovana fanamboaran-jezika Kaontenera 130 mihitsoka ao Toamasina
|
|
<b> Mihitsoka ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina efa ho valo volana izao, ireo kaontenera 130 misy ny fitaovana hananganana ozinina fanamboaran-jezika. Raha mitarazoka ny olana, mety ho simba tsy azo ampiasaina akory ireo fitaovana. Tsy voaloa ny haban-tseranana ! Kaontenera 130 avy any Inda no tsy tafavoaka ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina, efa ho 8 volana izao. Antony, ny tsy fandoavana ny haban-tseranana tokony hoefain’ny fanjakana. 25 euros isan’andro ny hofan’ny magazay hitahirizana ireo kaontenera ao amin’ny Mictsl. Fitaovana hananganana ilay ozinina hanamboaran-jezika no ao anatiny. Misy karazany roa izy ireo : fanamboarana zezika organika sy fampifangaroana karazan-jezika. Nambaran’ny masoivohon’i Inda miasa eto amintsika, Sem Azad Singh Toor, omaly, fa mila vahana haingana ny olana. Satria, raha mitarazoka ny fotoana, hitombo ny masonkarena amin’ny fampihodinana azy. Fa ny tena atahorana dia mety tsy ho afaka ampiasaina akory ireo fitaovana satria mety ho simba toy ny harafesina, ohatra (mando lava any Toamasina).
Fanajana ny Lalàmpanorenana Fifanarahana teo amin’ny governemanta malagasy sy indianina no nahazoana ireo fitaovana ireo. Tafiditra ao anatin’ny fanohanan’i Inda aty Afrika, mitentina 5,4 miliara dolara, ka anjaran’i Madagasikara ny 25 tapitrisa dolara. Nambaran’ny masoivoho indianina, fa tsara hatrany ny fiaraha-miasa eo amin’ny tany roa tonta. Maniry koa ny tenany hiverenan’ny fanjakana tan-dalàna sy hanajana ny Lalàmpanorenana haingana eto Madagasikara.
Njaka Andriantefiarinesy
Manofana ny teknisianina malagasy amin’ny fambolem-bary manara-penitra (Sri, Sra, …) ny indianina. Nanomboka omaly ary hifarana amin’ny 14 novambra ho avy izao.
|
 |
|
|
|
|
|
|
|
|
| Fanadihadiana |
 |
|
|
|
|
| |
|