|
 |
POLITIKA |
|
|
Ankolafy Ravalomanana Hamarana ny hetsika fanaony
|
|
Fiantsoana ny mpomba ny Filoha teo aloha, Ravalomanana, ho maro an’isa hatrany no nataon’ireo nikabary tamin’ny hetsika, teny amin’ny Magro, Ankorondrano, omaly. Izany dia ho amin’ny famaranana ny tolona. Samy nanamafy izany na ny solontenan’ny tanora, na ny solontenan’ny mpiasam-panjakana, sns. Efa hifaramparana ny hetsika amin’izao diniky ny ankolafy efatra any Addis-Abeba izao, izay iandrandran’ny ankolafy Ravalomanana fandresena. Nisaotra an-dRavalomanana koa ireo mpomba azy amin’ny fijoroany hatramin’ny farany amin’ny heviny hatramin’izay : tsy fanekena ny «mpanongam-panjakana» hitantana ny tetezamita. Saika hiditra an-telefaonina mivantana handefa hafatra sy hampita vaovao amin’ireo mpomba azy teny amin’ny Magro ihany ny Filoha teo aloha omaly tolakandro, saingy efa tafiditra tao anatin’ny fivoriana any Addis-Abeba.
R. Nd.
|
 |
|
|
|
|
|
|
|
|
| Fanadihadiana |
 |
|
|
|
|
| |
|