Novakian’ny jiolahy roa ny tranon’ny fianakaviana iray, mipetraka ao Mahazoarivo Avaratra, Antsirabe, ny alahady 25 oktobra teo. Very tamin’izany ny môtô Yamaha Bws iray. Nandeha nivavaka ny tompon-trano tamin’io fotoana io, raha ny fanazavan’ny zandary ao Andranomadio. Nandeha ny fikarohana ka tratra ny zoma 30 oktobra, teny Mahazoarivo Avaratra ihany, izy roa lahy tompon’antoka tamin’ny halatra sy ilay môtô. Natolotra ny fitsarana omaly izy ireo ary nampidirina am-ponja vonjimaika mandra-piandry ny fotoam-pitsarana azy. Naverin’ny zandary any amin’ny tompony kosa ilay môtô.
Nangonin’i Jeannot Ratsimbazafy