www.taratramada.com                                                                                                     Gazety Malagasy mivoaka isan'andro
Lohanteny Pôlitika Fihariana - Toekarena Fiarahamonina Fiainam-pirenena
Toetrandro Kolontsaina Fanatanjahantena Faritra Hatsikana
 Karoka
 
  Vaovao Misongadina
Pôlitika
Fihariana sy Toekarena
Fiarahamonina
Fiainam-pirenena
  Vaovao Samihafa
Toetrandro
Kolontsaina
Fanatanjahantena
Faritra
Hatsikana
  Contact
Contact
  Liens
Liens
 
 
  Sandam-bola
ny 13/3/2010
EURO(cmax)- Ar
EURO(cmin)- Ar
EURO(cmp)2.925.04 Ar
USD2.137.06 Ar
GBP3.239.57 Ar
CHF2.016.67 Ar
JPY23.64 Ar
ZAR288.79 Ar
HKD275.44 Ar
  Toetrandro
Mety ho toetrandro ny 13/3/2010

Source:
Les-nouvelles.com

FLUX DU MOUSSON SUR LE TIERS NORD, DOMINANCE D’UN FLUX DU NORD AILLEURS

Voir le détail
TRANGA
Mpivarotena ao La Réunion
 
Tovovavy gasy ny 85%

        Araka ny vaovao navoakan’ny gazety iray ao amin’ny Nosy La Réunion, hita ao amin’ny tranonkalan’ny Jir (Clicanoo.com), tovovavy malagasy ny 85 %-n’ny mpivarotena any an-toerana. Fanadihadiana nataon’ny fikambanana miady amin’ny Sida Mjc any La Réunion no nahazoana io antontan’isa io. Mahatratra 120 ka hatramin’ny 150 ny vehivavy mivarotena, ary 25 ny sarimbavy any Saint-Dénis araka ny fanadihadiana ihany. Manodidina ny 35 taona ny salan-taonany, izay avy aty Madagasikara ny ankamaroan’ireo. Ny 33 %-n’ireo no milaza fa vonona ny hiala amin’ny asa fivarotan-tena raha toa ka mahita asa. Araka izany, mampalahelo ihany ny toe-javatra tahaka izao, satria miafara amin’ny asa ratsy toy izany ny fialan’ny tovovavy malagasy avy eto an-toerana mankany ivelany any. Asa na manao ahoana ny fanaraha-maso ny anton-dian’izy ireny raha miala eto an-tanindrazana. Misy ireo ambasady mikarakara «Visa» no manao famotorana, indrindra raha vehivavy no mitady izany, koa raha tsy asa na fianarana matotra sy raikitra no aleha any amin’ny firenena iray dia tsy manome izany ry zareo.
 

 

Yves S.

 
 





Tahiry
 
Fanadihadiana
 
Tahiry
 
© Copyright 2004 et droits réservés à http://www.taratramada.com