|
 |
TRANGA |
|
|
Masiaka ny varatra Olona 10 maty tany Tsiroanomandidy
|
|
<b> Mirefodrefotra ny varatra any Tsiroanomandidy any. Lasibatra na olona, na biby fiompy, na ireo fitaovam-pifandraisana samihafa. Olona 10 izao no fantatra fa maty nilatsahan’ny varatra tany an-toerana… Masiaka tsy misy ohatra izany ny varatra any Tsiroanomandidy, araka ny vaovao azo avy any an-toerana. Nahatratra 10 ny isan’ny olona maty hatramin’izay niatombohan’ny andro fahavaratra, hoy ny fanazavana. Lasibatra koa ireo biby fiompy amin’izany, maro no efa maty. Eny an-tsaha no latsahan’ny varatra ny omby. Anisan’ny nilatsaham-potaka ihany koa ny fitaovan’ny radio nasionaly sy an’ny televiziona tsy miankina any an-toerana. Tsy hita izay iadiana amin’izy ity, hoy ny mpitandro filaminana niresaka taminay, kanefa dia miteraka horohoro ho an’ny olona izany. Mihevitra ny sasany fa tolak’olona ny vara-datsaka etsy sy eroa, noho iny faritra iny malaza ho misy mpahay azy io. Ny hafa kosa milaza fa mahay ody varatra, saingy tsy fantatra ny fahamarinany. Miteraka olana izany indraindray satria raha misy mpiray monina tsy mifankahazo eo an-tanàna, dia mifanondro ho ny tsy mahazoazo ny iray no manatolaka azy ireo. Mifamaly eo izay mpiray tanàna, ka tsy fantatra intsony izay tena marina avy eo. Sarotra ho an’ny olona any ambanivohitra koa anefa ny handray fanazavana siantifika mahatonga ny filatsahan’izy ireny, araka ny fanazavana ihany. Mihevitra ny hanentana ny olona amin’ny fametrahana fandri-baratra ny manam-pahefana. Efa ho isan-taona mantsy dia misy hatrany ny olona matin’ny varatra any Tsiroanomandidy any, indrindra ireo any ambanivohitra.
Yves S.
|
 |
|
|
|
|
|
|
|
|
| Fanadihadiana |
 |
|
|
|
|
| |
|