www.taratramada.com                                                                                                     Gazety Malagasy mivoaka isan'andro
Lohanteny Pôlitika Fihariana - Toekarena Fiarahamonina Fiainam-pirenena
Toetrandro Kolontsaina Fanatanjahantena Faritra Hatsikana
 Karoka
 
  Vaovao Misongadina
Pôlitika
Fihariana sy Toekarena
Fiarahamonina
Fiainam-pirenena
  Vaovao Samihafa
Toetrandro
Kolontsaina
Fanatanjahantena
Faritra
Hatsikana
  Contact
Contact
  Liens
Liens
 
 
  Sandam-bola
ny 13/3/2010
EURO(cmax)- Ar
EURO(cmin)- Ar
EURO(cmp)2.925.04 Ar
USD2.137.06 Ar
GBP3.239.57 Ar
CHF2.016.67 Ar
JPY23.64 Ar
ZAR288.79 Ar
HKD275.44 Ar
  Toetrandro
Mety ho toetrandro ny 13/3/2010

Source:
Les-nouvelles.com

FLUX DU MOUSSON SUR LE TIERS NORD, DOMINANCE D’UN FLUX DU NORD AILLEURS

Voir le détail
INDRAIM-BAVA
INDRAIM-BAVA
 
Farany vao misy (v)entiny…

        Sotro ranombarin’alika, hono, farany vao misy ventiny. Izany ve izao dinika hamahana ny krizy politika eto Madagasikara any Addis-Abeba, Etiopia, izao ? Samy mirary izany ho famaranana ny raharaha, indrindra ny krizy, ny rehetra. Mba farany vao misy ventiny ! Hiseho ny tena fitiavan-tanindrazana, fahatsiarovan-tena ho tomponandraikitra, fijerena akaiky izay hanamaivanana ny fahoriam-bahoaka, fitsinjovana ny tombontsoa ambonin’ny firenena. Fikasana izany, azo tanterahina. Efa samy nanao izany ho ambentin-kabary ireo ankolafy.
 
Amin’izao heverina ho dinika farany izao koa vao misy ny entin’ny hambom-pony ny sasany : be fepetra sy haitraitra, tsy mandefitra, mitompo teny fantatra… Hambom-po politika ? Manara-maso akaiky ny vahoaka. Ho hitan’ny havany eo izay diso paika, be fitetika… Na ahoana na ahoana, tsy maintsy miroso ny tantara : izay vita, hono, dia tantara. Na izany aza, tsy azo atao amboletra ny raharaha. Izay no ifampidinihana ! Mba farany vao misy ventiny, fa tsy amin’izao faran’izao vao misy entin’ny hambom-po amin’ny tsy antony.
 
Ny sotro ranombarin’alika, rey olona, no farany vao misy ventiny. Ny alika koa no miverina amin’ny naloany. Raha misy ny tsy nety tamin’ny dinika teo aloha, aleo tsy hiverenana intsony. Mba izay mampitovy fijery ho amin’ny marimaritra iraisana no ifandroritana, fa tsy izay mampisara-bazana efa fantatra hatramin’izay. Fifampitsinjovana sa fifamotehana no atao ? Mba azo roritina hatrany ny dinika : izay lava dinika, lava rariny. Raha tsy manapa-kevitra hamarana ny raharaha isika, isika no hofaran’ny raharaha amin’ny fahapotehana tanteraka. Mba tsy ho ratsy fiafara tahaka ny vary lany laoka…
 

 

Rafaly Nd.

 
 





Tahiry
 
Fanadihadiana
 
Tahiry
 
© Copyright 2004 et droits réservés à http://www.taratramada.com