|
 |
VAOVAO MISONGADINA |
|
|
FARITRY NY HABAKABAKY NY SADC
Hikatona ho an’ny Air Mad ?
|
 |
FARITRY NY HABAKABAKY NY SADC Hikatona ho an’ny Air Mad ? Ahiana ho voarara tsy hahazo hisidina ny habakabaka aty atsimo sy atsinanan’i Afrika (Sadc) ihany koa ny kaompania Air Madagascar. Fantatra izany taorian’ny fanakanan’ny fitondrana tetezamita tsy hamela hody eto an-tanindrazana ireo delegasion’ny ankolafy telo tatsy Mozambika. Vao mainka hiampy trotraka ny fahavoazana ara-toekarena, raha izany. Hitoka-monina i Madagasikara ! Tsy ankasitrahan’ny Vondrom-paritra aty atsimo sy atsinanan’i Afrika (Sadc) ny fanapahan-kevitry ny Fitondrana avon’ny tetezamita (Fat), nanakana ny fiaramanidina avy any Mozambika tsy ho aty Madagasikara. Mety hanasazy antsika ity vondrona ity amin’ny alalan’ny fanakanana ihany koa ny fiaramanidin’ny Air Madagascar, tsy hahazo hisidina ao amin’ny faritr’habakabaky ny firenena mpikambana ao amin’ny Sadc. Tsiahivina fa noho ny fanakanana ireo delegasiona avy amin’ny ankolafy telo, nivory tany Maputo, tamin’ny fiandohan’ny volana desambra teo no anton’ny fanapahan-kevitry ny minisitry ny filaminam-bahoaka sy ny fitaterana. Nambara fa manohintohina ny fiainam-pirenena ireo ankolafy ireo. Niampy didy fandrarana olona 25 avy amin’ny ankolafy telo ity fanapahan-kevitry ny Fat ity.
Fatiantoka ara-toekarena Ny zotra mampitohy an’i Madagasikara amin’i Afrika Atsimo sy Maorisy no ho voakasika mivantana an’io sazin’ny Sadc io. Raha ho tanteraka izany, vao mainka hanampy trotraka ny fahavoazan’ny firenena ny fatiantoka ara-toekarena haterak’izao fanapahan-kevitra izao. Maro mantsy ireo mpandraharaha avy eto an-toerana no mivezivezy atsy Afrika Atsimo. Tsy vitsy koa ny entana afarantsika avy any amin’io firenena io, ary anisan’ny lehibe amin’izany ny orinasa Qmm any Taolagnaro. Torak’izany koa ny atsy Maorisy, anisan’ny mifanakalo ara-barotra amin’i Madagasikara. Ankoatra ny fatiantoka ho an’ny Air Madagascar, ny toekarem-pirenena mihitsy no ho voa mafy amin’izao raharaha izao, raha tsy ahitam-bahaolana haingana. Hatramin’ny fotoana nanoratanay, nilaza ny tompon’andraikitry ny minisiteran’ny fitaterana fa tsy mbola nahazo taratasy ofisialy manamarina io vaovao io na tsia. Tsy niova koa ny fandaharam-potoanan’ny zotran’ny Air Madagascar.
R.Randria
Fanapahan-kevitra politika no noraisin’ny Fat. Nanameloka azy ny firenena frantsay, izay anisan’ny lohandohany hikarakara ny fihaonan’ny ankolafy efatra eto Antananarivo, amin’ny 17 desambra ho avy izao. Saingy mahavariana ihany ny fihetsik’ity firenena ity satria mivahiny any Frantsa i Norbert Ratsirahonana (mpanolotsaina ny Filohan’ny Fat) ankehitriny. Sa izay no atao hoe fihetsika diplaomatika ?
|
 |
|
|
|
|
|
|
|
|
| Fanadihadiana |
 |
|
|
|
|
| |
|