www.taratramada.com                                                                                                     Gazety Malagasy mivoaka isan'andro
Lohanteny Pôlitika Fihariana - Toekarena Fiarahamonina Fiainam-pirenena
Toetrandro Kolontsaina Fanatanjahantena Faritra Hatsikana
 Karoka
 
  Vaovao Misongadina
Pôlitika
Fihariana sy Toekarena
Fiarahamonina
Fiainam-pirenena
  Vaovao Samihafa
Toetrandro
Kolontsaina
Fanatanjahantena
Faritra
Hatsikana
  Contact
Contact
  Liens
Liens
 
 
  Sandam-bola
ny 15/3/2010
EURO(cmax)- Ar
EURO(cmin)- Ar
EURO(cmp)2.925.04 Ar
USD2.137.06 Ar
GBP3.239.57 Ar
CHF2.016.67 Ar
JPY23.64 Ar
ZAR288.79 Ar
HKD275.44 Ar
  Toetrandro
Mety ho toetrandro ny 15/3/2010

Source:
Les-nouvelles.com

FLUX DU MOUSSON SUR LE TIERS NORD, DOMINANCE D’UN FLUX DU NORD AILLEURS

Voir le détail
VAOVAO MISONGADINA
FIHAONANA ANY ADDIS-ABEBA

Misy faneriterena ankolaka
        FIHAONANA ANY ADDIS-ABEBA
 
Misy faneriterena ankolaka
 
Raikitra indray aloha ny adihevitra amin’ny samy Malagasy. Nitohy mandra-maraina ny fihaonana tao amin’ny foiben’ny Vondrona Afrikanina, Addis-Abeba. Nanery ankolaka ny ankolafy rehetra ny Pr Zafy Albert amin’ny mba hahombiazan’ny dinika. Nampirisika nefa toa manery ihany koa ny tokony hijerena ny tombontsoa ambonin’ny firenena Atoa Jean Ping mitarika ny fivoriana.
 
Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy omaly tany Addis-Abeba ny fihaonana an-tampony farany ho famahana ny krizy eto Madagasikara. Tamin’ny 3 ora sy sasany no nandray fitenenana voalohany Atoa Jean Ping, filohan’ny Vaomieran’ny Vondrona Afrikanina. Nambarany fa fanohizana ny fanapahan-kevitra tapaka tany Maputo, ny 9 aogositra, sy teny amin’ny Carlton, ny 6 oktobra lasa teo izy ity. Nisy, hoy izy, ny fitarazohana kely saingy fakana bahana mba hahafahana miroso lalina kokoa izany. «Fanararaotana izao aty Addis- Abeba izao hiadian-kevitra hisian’ny tetezamita mahomby sy ara-drariny… Irariana ny finiavan’ny ankolafy tsirairay avy mba hitady vahaolana hifameno amin’ny tapaka teo aloha rehetra… Miankina aminareo no hahatongavana amin’izany. Fotoana izao hametrahana tetezamita hiafara amin’ny fifidianana Filoham-pirenena sy ireo mpanao lalàna», hoy ihany izy. Nanao antso avo tamin’ny lehiben’ny ankolafy efatra sy ny mpanara-dia azy ireo avy Atoa Jean Ping mba hijery ny tombontsoa ambonin’i Madagasikara. Nisy ihany koa ny fisaorana fohy nataony ho an’ny fitondrana frantsay tamin’ny fitaterana ny ankolafy Ratsiraka avy any Parisy.
 

 

Manery ankolaka ny Pr Zafy


 
Nahazo anjara fitenenana tany an-drenivohitra etopianina kosa ny Pr Zafy Albert, nisolo tena ireo lehiben’ny ankolafy efatra. Amin’ny maha zokiolona azy no nanaovany izany. Henjana ny fanambarana natao izay niantefa tamin’ny ankolafy efatra. «Isika rehetra izao no tompon’andraikitra voalohany amin’ny tantaram-pirenena raha sanatria tsy mahomby indray ity dinika aty Addis-Abeba ity. Efa iarahantsika rehetra mahalala ny fandrahonana sy ny sazy avy amin’ny mpamatsy vola sy ny firenen-dehibe mpiara-miasa amintsika…», hoy izy. Notsiahiviny ihany koa ny fahoriana mianjady amin’ny vahoaka ankehitriny. «Sady manantena no anatin’ny fahakiviana tanteraka ny vahoaka ankehitriny ka ity fihaonana ity no fara fanantenana ho azy ireo… Jereo fotsiny ireo olona an’arivony efa very asa…», hoy izy nanamafy hatrany ny fanohanan-keviny.
 

 

Be ny zavatra niova


 
Nafindra tany amin’ny Foiben’ny Vondrona Afrikanina indray ny dinika tao Addis-Abeba, omaly. Raha ny fanomanana tany am-boalohany, tao amin’ny hotely Sheraton nivantanana ihany no ho toeram-pivoriana. Efa nisy tsy niaraka tamin’ny besinimaro tao an-toerana anefa ireo ankolafy sasany fa nifindra tany amin’ny toeran-kafa.
 
Niova ho Tantely Andrianarivo koa ny nitarika ny delegasiona Ratsiraka Didier, tany an-toerana. Tamin’ny ankapobeny, anisan’ireo olona tsy nihelina, «mivantana loatra», tamin’ny toe-draharaha politika teto amintsika nandritra ny fito taona ny lehilahy, taorian’ny nitanana am-ponja sy nandefasan’ny fitondrana Ravalomanana azy «hitsabo tena» tany Frantsa.
 
Nampiavaka ny fivoriana tao Addis-Abeba koa ny niantsoana ny filohan’ireo firenena mikambana ao anatin’ny Vondrona Afrikanina, handray anjara mivantana tamin’ny dinika, omaly. Anisan’izany i Angola, Alzeria, Namibia, Niger, Gabon, Mozambika, Tchad, Kameronina, Tonizia, Togo, Tanzaia, Zimbaboe, Côte d’Ivoire, Soazilandy, Sierra-Léonne, Roanda, Afrika Atsimo, Soudan ary Lybia. Raha ny tany Maputo, nasaina tamin’ny fanokafana ny fivoriana fotsiny ireo masoivohom-pirenena afrikanina misy ao an-toerana. Raha fehezina, tondrozotra tokana ho amin’ny «famahana» ny krizy eto amintsika ity atao any Addis-Abeba ity.
 

 

SOLONTENAN’NY FIRENENA MIKAMBANA “Tsy tokony hanahirana ny olana any Madagasikara”


 
“Tsy tokony hanahirana ny famahana ny olana any Madagasikara”, hoy ny manampahaizana iray momba ny fanelanelanana amina firenena iray raha sendra misy krizy na ady an-trano. Na nisy aza ny fifanjevoana, halatra, fanararaotra isan-karazany tamin’ny fiandohan’ny taona, tsy nitrangan’ny ady an-trano tany Madagasikara, hoy ihany ity manam-pahaizana manokana avy amin’ny Firenena Mikambana, izay marihina moa fa noho ny toerana misy azy, tsy azo ambara eto ny anarany.
 
Na izany aza, miankina tanteraka amin’ny fahendrena sy fifampiresahan’ny samy Malagasy, ny fijerena ny tombontsoa ambonin’ny firenena ny raharaha. Tsy miankina aminay mpanelanelana loatra. Matoa nisy ny Maputo I sy Maputo II, samy niaiky ny rehetra fa tokony hisy marimaritra iraisana, hoy izy. Ny amin’ny fandefasan’ny Firenena Mikambana iraka manokana tahaka ireny fisian’ny toe-draharaha fifanolanana, toy izao dia hisakana indrindra ny ady an-trano, tsy hanaovan’ny mpanao politika sorona ny fiainam-bahoaka.
 
Tao anatin’ny 50 taona, na nisy aza ny raharaha 1972, 1991, 1996, tsy mbola nandia fotoan-tsarotra toy izao i Madagasikara. Voarakitra ao amin’ny Firenena Mikambana ny raharahan’ady rehetra maneran-tany, ny aty Afrika. Mikasika an’i Madagasikara, tsy mbola tafiditra ho isan’ny firenena nisehoan’ny vonoan’olona vokatry ny ady an-trano isika, hoy ihany izy. Nifampidinika tamin’ny vahiny efa nonina naharitra sy mahalala tsara an’i Madagasikara ity manam-pahaizana avy amin’ny Firenena Mikambana ity.
 

 

ANKOLAFY RAVALOMANANA Nivoaka ny trano


 
20 mn taorian’ny fanombohan’ny fivoriana, nivoaka ny trano avy hatrany Ravalomanana Marc sy ny mpiara-dia aminy. Nambarany fa raharaha aty amin’ny tany mikambana ao anatin’ny Sadc no resahina nefa tsy ao ny solontenany. Tsy tao an-toerana mantsy ny filohan’ny Sadc, Joachim Chissano. Andrasana ny hahatongavan’ity farany anio maraina vao hiverina indray ny fivoriana. Anisan’ny mety ho antony nivoahan’izy ireo koa ny fandraisana ny lahateny nataon’ny filohan’ny Vaomieran’ny Vondrona Afrikanina, Jean Ping. Raha ny filazan’ireo delegasiona Ravalomanana sasany mantsy, nitongilana tany amin’ny ankolafy Rajoelina ny lahateny. Anisan’izany ny fanamafisana ny fanapahan-kevitra noraisina tao amin’ny Carlton teto amintsika tamin’ny 6 oktobra lasa teo. Fahita matetika nandritra ny fivoriana toy izao ny fivoahana tampoka ny trano fivoriana, hatreto an-tanindrazana ka hatrany ivelany. Efa nanao toy izany koa ny ankolafy Rajoelina, tany Maputo. Fantatra fa niverina indray ny fifampidinihina, halina, nandritra ny fotoana nanoratanay.
 

 

Pejy notontosain’i Riana Raymond, Zo.Ra, Rafaly Nd, ary Mathieu R, Synèse R.
 
(Iraka manokana Addis-Abeba)
 

 
 





Tahiry
 
Fanadihadiana
 
Tahiry
 
© Copyright 2004 et droits réservés à http://www.taratramada.com